๐…๐€๐๐‰๐€๐‘๐ˆ๐€๐๐“๐’๐€๐Š๐€๐…๐Ž: ๐Ž๐Œ๐„๐๐€ ๐•๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐•๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐˜ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-8 mey 2026]
ยซย Hanatanteraka ny andraikiny, amin’ny fanatsarana ny lalร na, hanamorร na ny famokarana, ny fitondrana foibe anatin’ny Fanavaozana ยซย , hoy ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, nandritra ny fitokanana Ilay ozinina salantsalany mpanodina vokatra hatao sakafo sy afaka tehirizina, ao Vohilava, kaominina ambanivohitra Anosy Tsararafa any Farafangana – faritra Atsimo Atsinanana -androany maraina.
Nambaran’ny Lehiben’ny Governemanta fa hatao mรดdely ho an’ny Faritra hafa ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity sy ny fampihodinana azy, hatao mรดdely ho an’ny minisitera tsirairay koa mba hahafahan’ny faritra rehetra misitraka zava-bita stratejika toy izao. Hanamafisana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, hanatevenana ny ezaky ny fitondrana Fanavaozana, amin’ny fiahiana ara- tsakafo ary hampiroboroboana ny Toekarena sy ny asa fihariana eny ifotony, no tanjona tamin’ny nananganana ity ozinina ity.
Koa, tamin’ny anaran’ny fitondrana Fanavaozana sy ny governemanta manokana, no nanehoan’ny Praiminisitra ny fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka ara- bola sy teknika, satria mariky ny fanohanan’izy ireo an’i Madagasikara eo amin’ny fandresena ny tsifanjariantsakafo ity zava-bita ity. Anisan’izany ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa Iraisampirenena momba ny sakafo (PAM), ny ยซย Principautรฉ de Monacoย ยป ary ny firenena frantsay sy Alemana, izay samy nanana solontena nanotrona izao fitokanana orinasa tao Farafangana izao. Manohana ny ezaka fanjariantsakafo eto Madagasikara koa ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny famatsiana vola ny tetikasa FSRP (Projet de Rรฉsilience des Systรจmes alimentaires).
Ny vokatry ny tantsaha no hahodina ho lasa sakafo feno otrikaina sy ara- pahasalamana, ary anisan’ny hisitraka izany ireo ยซย cantines scolairesย ยป. Fikambanana tantsaha miisa 7 mivondrona ao amin’ny kaoperativa Miara- Mijoro no mitantana ny orinasa, ankoatry ny tan-tsoroka omen’ny Ofisim-paritry ny Fanjariantsakafo -ORN Atsimo Atsinanana.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ