πŸ“ Tranombokim-pirenena Anosy
πŸ—“οΈ Alarobia 20 May 2026
πƒπ’π§π’π€πš 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐒𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚: 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 πŸ‘ 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨
βœ… Ao anatin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, mitohy hatrany ny dinika hanomanana ireo fampiofanana. Mandritra ny telo andro no handrafetana ireo pitsopitsony farany amin’ireo torolalana sy fitaovana ampiasaina mandritra ny Fikaonandoha amin’ireo dingana rehetra : fokontany, kaominina, distrika, faritra ary nasionaly.
πŸ‘€Nanokatra ity fotoana ity ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera misahana ny Fanavaozana nisolo tena an-dRamatoa Ministra misahana ny Fanavaozana
πŸ“š Ao aorian’ny 3 andro hifampidinihana ho vonona tanteraka ireo fitaovana entina hiasa mandritra ny fikaonandoha
βœ”οΈ TorolΓ lana ho an’ireo mpampiofana
βœ”οΈ TorolΓ lana ho an’ireo mpanentana mifototra amin’ny traikefa eny an-kianja
βœ”οΈ Rindranasa nomerika
βœ”οΈ Tahirinkevitra sy fitaovana enti-mitarika ny asa
βœ”οΈ Fanamafisana ny fampiasana ny haitao nomerika sy ny fanaraha-maso ny fizotry ny fikaonandoha
πŸ“‹Hisy fiofanana mifandimby hotanterahina, ka ny andiany voalohany aloha no hofanina ary hampita izany any amin’ireo Faritra 24 manerana ny Nosy.
🎯Tanjona ny hametrahana paikady mafy orina ho an’ireo mpanentana sy mpampiofana eny ifotony amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenenaba hahatonga ny dingana rehetra hizotra am-pahombiazana sy hahatratra tanjona iraisana ao anatin’ny fotoana voafaritra.
πŸ‘₯ Ity fihaonana ity ihany koa no namerenana nampahalalana ny andraikitry ny :
πŸ”Ή Mpanentana
πŸ”Ή Mpanelanelana sy mpitari-dresaka
πŸ”Ή Mpitan-tsoratra ny fivoriana
🌍 Miara-miasa akaiky amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ao anatin’izao fanomanana izao ny Fandaharan’Asan’ny Firenena Mikambana ho amin’ny Fampandrosona na PNUD.
❌Nasongadina fa anjaran’ny Ministera ny mandrindra sy manao ny fanaraha-maso ny fizotry ny fikaonandoha, fa tsy misolo ny andraikitry ny mpanentana eny ifotony.