πŸ—“οΈZoma 22 May 2026
πŸ“ Centre Arrupe Madagascar – EKAR Faravohitra
𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐬𝐨𝐬𝐒𝐚π₯𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ” : 𝐦𝐒𝐚𝐒𝐧𝐠𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐒𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐑𝐨𝐲 𝐌𝐞 π‡πšπ§π’π­π«πš π‘πšπ³πšπŸπ’π¦πšπ§πšπ§π­π¬π¨πš, 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš
βœ… Nandray anjara tamin’ny adihevitra notanterahina ao anatin’ny β€œAndro Sosialy 2026” karakarain’ny « Asa Famelomana ny Sosialy sy ny Tontolo IainanaΒ Β», an’ny fikambanana zezoita eto Madagasikara, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
πŸ“š Nifantoka tamin’ny lohahevitra :
Β« π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš πšπ§β€™π’ 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚 : πŸπšπ§πšπ¦π›π² 𝐬𝐲 𝐯𝐒𝐧𝐚𝐯𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐒𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲 Β» ity fihaonana ity.
πŸ—£οΈNandritra ny fandraisam-pitenenany dia nanamafy ny Minisitra fa tsy maintsy miainga eny ifotony ny tena Fanavaozana sy fampandrosoana, ka ilaina ny fampanjakana ny tena fanapariaham-pahefana.
πŸ“Œ Notsindriany fa ao anatin’ny Fanavaozana ny Repoblika dia tokony homena toerana sy andraikitra bebe kokoa ny fokonolona sy ny Fokontany, izay sehatra fihainoana ny vahoaka sy famoahana ireo olana ary vahaolana eny an-toerana.
πŸ‘₯ Nambarany ihany koa fa ny fanapahan-kevitra rehetra dia tokony hifototra amin’ny fifampidinihana sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, mba hahafahana mametraka vina iraisana ho an’ny firenena.
πŸ“ Araka ny vokatra nivoitra nandritra ireo β€œSavaranonando” notanterahina tany amin’ny Faritra 10, dia isan’ireo olana lehibe mbola sedraina ny tsy fahatanterahan’ny tena fanapariaham-pahefana.
⬆️⬇️ Noho izany dia nohamafisina fa ny fikaonandoham-pirenena dia tokony hiainga avy eny ifotony miakatra, mba hampandraisana anjara mivantana ny vahoaka amin’ny fanapahan-kevitra nasionaly.
πŸ”Ž Manoloana ireo sakana sy fanoherana mety hisy dia nambaran’ny Minisitra ihany fa ilaina hatrany ny mijery ny tombotsoan’ny rehetra amin’ny alalan’ny vina lavitr’ezaka sy ny fitohizan’ny raharaham-panjakana, ho antoky ny fanavaozana maharitra sy ny fampandrosoana iombonana.
#mcr#fikaonandohampirenena#Fanavaozana